Aller au contenu

Jôsefa (zanak' i Jakôba)

Avy amin'i Wikipedia
Endrika tamin'ny 3 Martsa 2023 à 10:32 nataon'i Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
(fampitahana) ← Endrika tranainy kokoa | Endrika farany indrindra (fampitahana) | Endrika vaovao kokoa → (fampitahana)

I Jôsefa (hebreo: יוֹסֵף‬ / Iosef) dia olona voatantara ao amin' ny Baiboly. Zanak' i Jakoba sy i Rahely izy. I Benjamina no rahalahy iray reny aminy. Manana rahalahy folo hafa tsy iray reny aminy izy. Namidin' ireo rahalahiny izay nialona azy izy nefa lasa manampahefana tany Egipta taty aoriana. Nantsoiny honina any Egipta ny fianakaviany, fantatra amin' ny hoe Zanak' i Israely, tamin' ny fotoana nahamosarena ny tany manontolo. Taorian' ny nahafatesany sy ilay Farao natoky azy no nanombohan' ny fahasahiranan' ny Zanak' i Isaraely izay nandevozin' ny Egiptiana. Manana ny fomba fitantarany an' i Jôsefa koa ny boky masin' ny silamo atao hoe Kor'any.

Ny fiainany manokana[hanova | hanova ny fango]

Niseho tamin'ireo rahalahiny i Josefa, nataon'i Peter von Cornelius (1816-1817)

I Jakoba no rain' i Jôsefa. Ny vadiny dia i Asenata. Ny zanany dia i Manase sy i Efraima.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]