Aller au contenu

Fiteny tigrinia

Avy amin'i Wikipedia
La version imprimable n’est plus prise en charge et peut comporter des erreurs de génération. Veuillez mettre à jour les signets de votre navigateur et utiliser à la place la fonction d’impression par défaut de celui-ci.

Ny fiteny tigrinia dia fiteny hamitô-semitika anisan' ny fianakaviam-piteny semitika sady tenenina indrindra ao amin' ny tapany avaratra-atsinanan' ny Tandrok' i Afrika. Atao hoe ትግርኛ / tɨɡrɨɲa io fiteny io amin' ny fiteny tigrinia. Izy no fiteny ôfisialin' i Eritrea sy ny fanjakam-paritr' i Tigray ao Etiôpia.

Misy mpiteny tigrinia miisa 4 320 000 ny ao Etiôpia tamin' ny taona 2007, miisa 2 540 tao Eritrea tamin' ny taona 2006, ary 6 915 000 ny fitambaran' izy ireo maneran-tany. Matetika izy no atao fiteny faharoa, na ao Eritrea sy ao Etiôpia, na any amin' ny tapany atsimo-atsinanan' i Sodàna Avaratra, sy any Jibotỳ, ka izany dia tsy ahalalana marina ny tena isan' ny mpiteny tigrinia.

Ny fiteny tigrinia, sahala amin' ireo fiteny hafa ao amin' ny Tandrok' i Afrika, dia soratana amin' ny alalan' ny abidim-baninteny geezy.

Jereo koa

Fiteny hamitô-semitika:

Fiteny be mpampiasa ao Afrika:

Ireto ireo fiteny be mpampiasa ao Afrika: ny fiteny afrikansa, agny, amharika, anglisy, arabo, bambara, baole, berbera, bete, diola, fanga, fola (na fiteny peola), frantsay, haosa, iôroba, kitoba, lingala, malagasy, môre, pôrtogey, soahily, sômaly, sôninke, soso, tigrinia, vôlôfo ary zolo.

Fiteny etiôpika: