Fiteny romantsa
Apparence
![](https://cdn.statically.io/img/upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/2/2b/Grisons_1860_linguistic_map-fr.svg/300px-Grisons_1860_linguistic_map-fr.svg.png)
Alemàna Romantsa Italiana
Ny fiteny romantsa (rumantsch) dia fiteny tenenina any Soisa. Heverina fa eo amin' ny enina alina eo ho eo no isan' ny olona miteny io fiteny io; kely anefa izany isa izany raha oharina amin' ny isan' ny mponin' i Soisa, ka na dia izany aza dia manana sata ôfisialy foana io fiteny io ao Soisa.
Ny faritra misy olona miteny ny fiteny romantsa dia ao amin' ny kantôan' i Grisons. Anisan' ny fiteny ôfisialin' io kantôa io ny fiteny romantsa ary anisan' ny fiteny ôfisialy sy fitenim-pirenen' i Soisa.