Ismaela
Apparence
![](https://cdn.statically.io/img/upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/5/5a/Navez_Agar_et_Isma%C3%ABl.jpg/220px-Navez_Agar_et_Isma%C3%ABl.jpg)
I Ismaela dia olona resahina ao amin' ny Baiboly sy ao amin' ny Kor'any. Izy no zanak' i Abrahama voalohany raha mbola tsy niteraka an' i Isaaka i Saraha. I Hagara, vehivavy Egiptiana, mpanompovavin' i Saraha, no reniny. Taty aoriana dia teraka i Isaaka. Tamin' ny farany i Abrahama dia nandroaka an' i Hagara sy ny zanany hiala avy eo aminy araka ny sitrapon' i Saraha izay tsy te-hizara ny lovan-janany amin' i Ismaela. Ny Baiboly dia mitantara fa i Isaaka no saika hataon-drainy sorona nefa misy ny mpanao heviteny amin' ny Kor'any izay miklaza fa tsy maintsy ho i Ismaela no ilay saika natao sorona. I Ismaela no razamben' ny Ismaelita izay atao hoe koa Hagarita na Hagarena na ny Arabo (Adnanita).