Aller au contenu

Jirafa

Avy amin'i Wikipedia
Jirafa
Faritra misy jirafa aty Afrika

Ny jirafa dia biby misy nono mandinika, lava vozona, miaina any amin' ny hivoka misy hazo any Afrika atsimon' i Sahara, izay farany avo indrindra amin' ny biby miaina an-tanety. Atao hoe Giraffa camelopardalis ny anarany ara-tsiansa. Any Tsady hatrany Afrika Atsimo no faritra tena ahitana azy betsaka. Io anarany io dia avy amin' ny teny arabo hoe زرافة / zarāfah. Tamin' ny taona 1985 dia nisy any amin' ny 155 000 ny isan' ny jirafa nefa tamin' ny taona 2015 dia nihena ho 97 000 izany.