Aller au contenu

Kisoa

Avy amin'i Wikipedia
Kisoavavy sy ny zanany

Ny kisoa dia biby mampinono tsy mifidy zavatra hohanina, biby fiompy, miray, ary misy kitro. Sus domesticus ny anarany amin' ny siansa. Heverin' ny manam-pahaizana sasany fa zana-karazan' ny Sus scrofa (ny lambo eoraziana) izy io, fa karazana miavaka kosa amin' ny hafa. Ny kisoa dia nompina voalohany tany amin' ny Neôlitika, na tany Azia Atsinanana na tany amin' ny Atsinanana Akaiky. Rehefa tonga tany Eorôpa ny kisoa dia nifanambady tamin' ny lambo eoraziana, saingy nitazona ny toetrany amin' ny maha biby fiompy azy.

Ny kisoa dia ompina indrindra hahazoana hena. Ny hoditry ny kisoa dia ampiasaina amin' ny taozavatra. I Sina no mpamokatra kisoa betsaka indrindra eran-tany, arahin' ny Vondrona Eorôpeana ary avy eo i Etazonia. Manodidina ny kisoa miisa1,5 lavitrisa no ompina isan-taona, izay mamokatra hena 120 tapitrisa taonina eo ho eo. Ny sasany dia atao ho biby fiompy an-trano.

Ny kisoa dia nisongadina teo tamin' ny kolontsain' ny olombelona hatramin' ny Neôlitika, niseho tamin' ny zavakanto sy literatiora ho an' ny ankizy sy ny olon-dehibe, ary nankalazaina tany amin' ny tanàna toa an' i Bologna noho ny henany.

Ny henan' io biby io no be mpihinana indrindra eran' izao tontolo izao na dia voarara aza izany amin' ny fivavahana mônôteista sasany: ny jodaisma (mivaky kitro ny kisoa nefa tsy mandinika) sy ny finoana silamo ary fiangonana kristiana telo (adventisma, Fiangonana Ôrtôdôksa Etiôpiana ary kimbangisma).

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]