Manase (zanak' i Jôsefa)
Apparence
![](https://cdn.statically.io/img/upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/2/29/Jacob_Blessing_Ephraim_and_Manasseh%2C_by_Benjamin_West.jpg/274px-Jacob_Blessing_Ephraim_and_Manasseh%2C_by_Benjamin_West.jpg)
I Manase dia zanaka lahin' i Jôsefa voalohany tamin' i Asnata, sy zafikelin' i Jakôba. i Efraima no zandriny, araka ny Baiboly. Rain' i Mahira (na Makira) i Manase ary ny taranany dia namorona foko iray anisan' ny foko roa ambin' ny folon' i Israely, dia ny fokon' i Manase. Araka ny Bokin' ny Genesisy (Gen. 41.51) dia avy amin' ny teny hebreo hoe nashah izay midika hoe "manadino" io anarana io. Atao hoe מְנַשֶּׁה / Menasheh i Manase amin' ny teny hebreo. Anisan' ny taranak' i Manase i Gideona (na Gedeona). Ny Samaritana amin' izao fotoana izao dia milaza ny tenan' izy ireo ho taranak' i Efraima sy Manase.