Aller au contenu

Mardoka

Avy amin'i Wikipedia
Sarivongan' i Mardoka (Marduk), taonjato faha-9 tal. J.K., miaraka amin' ny dragona mpanompony atao hoe Mušḫuššu.

I Mardoka na Marduk, dia andriamanitra nivavahan' ny mponina tany Mesôpôtamia tamin' ny Andro Taloha sady andriamanitra mpiaro ny tanànan’ i Babilôna, izay tamin' ny farany, tamin' ny taonarivo voalohany, lasa mpanjakan' ny andriamanitra. Tao amin' ny tanànan' i Babilôna, ​​i Marduk dia nivavahana tao amin' ny tempolin' i Esagil. Ny mari-pamantarany dia ny lefona ary mifandray amin' ny Mušḫuššu izy. Amin' ny teny someriana izy dia atao hoe Amar utu.k "Zanak' ombin' ny masoandro", fa amin' ny teny hebreo dia מְרֹדַךְ‎ / Merōdaḵ. Tamin' ny taonarivo voalohany tal. J.K. dia nanjary nifandray ara-panandroan-kintana tamin' ny planeta Jopitera i Marduk.

Mombamomba azy[hanova | hanova ny fango]

Nipetraka tao Babilôna i Marduk, tao amin' ny fitoerana masin' i Esagil, izay ahitana ny zigoratan' i Etemenanki, izay noraisin' ny taranaka taty aoriana ho ny Tilikambon' i Babela. Ny vadiny dia i Ṣarpanitu. Ny Mesôpôtamiana no nanao azy ho lahimatoan' i Ea (na Enki) sy i Damkin andriamanibavy. Andriamanitry ny asatany tsy dia nanan-danja loatra i Marduk nefa nisolo an' i Enlil sy nandray ny toetrany tamin' ny farany, ka lasa andriamanitra fara tampony amin' ny panteôna babilôniana. Nalaza izy nandritra ny fitondran’ i Nabokôdônôzôra I, mpanjakan' i Babilôna ​nanomboka tamin' ny taona 1125 tal. J.K. ka hatramin' ny 1104 tal. J.K. Ny Tononkalon' ny Famoronana (Enuma Elish), nosoratana tamin' izany fotoana izany dia natao hanamarinana izany fandrosoan' ny lazany izany. Izy dia mifandray amin' ny dragona Mušhuššu, ny planeta Jopitera ary ny isa 50 (izay nomena an' i Enlil).

Araka ny kôsmôgônia babilôniana, amin' ny fiafaran' ny ady maharitra, ny andriamanitra tanora Marduk dia manapakatapaka an' i Tiamat, renin' ny andriamanitra, izay fahatongavana ho nofon' ny andriamanibavin' ny Kaôsy (Khaos) voalohany indrindra sy ny ranomasina: avy amin' ny vatany sy ny lohany no namoronany ny lanitra, avy amin' ny tongony sy ny rantsambatany ambany no namoronany ny tany. Avy amin' ny Tiamat no nipoiran' ny rano tonga amin' ny endrika rahona ary ny ranomasony no loharanon' ny ony Tigrisy sy Eofrata. Maty koa i Kingu, zanak' i Tiamat, ary tamin' ny rany no namoronan' i Marduk ny olombelona voalohany. Taorian' ny nandreseny an' i Tiamat, izay andriamanibavy voalohany, dia lasa mpanjakan' ny andriamanitra i Marduk. Naka ny toeran' i Anu ao amin' ny panteôna mihitsy izy.