Masay (vahoaka)
Apparence
![](https://cdn.statically.io/img/upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/9/99/Maasai_tribe.jpg/220px-Maasai_tribe.jpg)
Ny Masay dia vahoaka nilôtika monina any tapany avaratra sy afovoany ary atsimo amin' i Kenia ary any amin' ny faritra avaratra amin' i Tanzania. Anisan' ireo mponina eo an-toerana malaza indrindra eo amin' ny sehatra iraisam-pirenena izy ireo noho ny fonenany eo akaikin' ny valan-javaboary maro ao amin' ny Farihy Afrikana Lehibe.