Aller au contenu

Sekiolarisma

Avy amin'i Wikipedia

Ny sekiolarisma na ny maha laîka dia foto-kevitra mikatsaka ny fitondrana ny raharahan' olombelona amin' ny fiheverana natioralista, tsy misy ifandraisany amin' ny fivavahana. Ny sekiolarisma dia faritana matetika kokoa ho fanasarahana ny fivavahana amin' ny raharaham-pirenena sy ny fanjakana ary mety hivelatra amin' ny fiheverana mitovitovy amin' izany izay mitady hanaisotra na hanamaivana ny andraikitry ny fivavahana eo amin' ny sehatra momba ny raharaham-panjakana.

Manana dikany mivelatra ny teny hoe "sekiolarisma", ary amin' ny ankapobeny dia mety handrakotra izay sehatra rehetra mampiroborobo ny maha laîka amin' ny toejavatra iray. Mety hanondro ny fanoherana ny mpitondra fivavahana, na ny tsy finoana an' Andriamanitra, na ny natoralisma, na ny tsy fiandaniana amin' ny lohahevitra momba ny fivavahana, na ny fanesorana tanteraka ny marika ara-pivavahana amin' ny andrim-panjakana ny sekiolarisma.

Azo faritana ho fitondrana mitovy sy fanomezana toerana mitovy ny fivavahana rehetra koa ny sekiolarisma.

Amin' ny maha filôzôfia azy dia mikatsaka ny fandikana ny fiainana mifototra amin' ny foto-kevitra azo avy amin' ny tontolo ara-materialy fotsiny ny sekiolarisma, ka tsy misy filana fanampiana avy amin' ny fivavahana. Mamindra ny fifantohana avy amin' ny fivavahana ho amin' ny resaka "ara-nofo" sy ara-materialy izany.

Misy fomba fanao samy hafa momba ny sekiolarisma any amin' ny Tandrefana, toy ny môdely frantsay, alemàna, tiorka, ary amerikana, sy ny any ivelany, toy ny any India, manantitrantitra bebe kokoa ny fitovian' ny fivavahana rehetra eo anatrehan' ny lalàna sy ny tsy fiandanian' ny fanjakana fa tsy ny fisarahan' ny fanjakana sy ny fivavahana.

Miovaova be ny tanjona sy tohan-kevitra manohana ny maha laîka, manomboka amin' ny filazana fa singa manan-danja amin' ny fanavaozana izy io, na mampihemotra sy mampisara-bazana ny fivavahana sy ny soatoavina nentim-paharazana, ka hatramin' ny filazana fa io ihany no miantoka ny fivavahana malalaka.